Advento
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Advento na Fiaviana, ao amin' ny tetiandro litorjika kristiana, dia fotoana maharitra efatra herinandro mialoha ny Noely na Krismasy manomboka amin' ny andro Alahady manodidina ny 30 Novambra. Fotoana fiomanana alohan' ny fankalazana ny nahaterahan' i Jesoa Kristy izany. Fiangonana kristiana maro no mitandrina sy mankalaza ny Advento na ny Fiaviana amin' ny maha andro fiandrasana ny fankalazana ny nahaterahan' i Jesoa Kristy (dia ny Noely na Krismasy) sy ny fiaviany fanindroany ety an-tany azy.
Ny Advento no fanombohan' ny taom-piangonana tandrefana sady manomboka amin' ny Alahady fahefatra alohan' ny Noely na Krismasy, izay atao hoe Alahadin' ny Advento, dia ny Alahady manakaiky ny 30 Novambra (ao amin' ny Katôlika rômana, ny Ôrtôdôksa tandrefana, ny Anglikana, ny Loterana, ny Môraviana, ny Presbiteriana, ny Metôdista). Raha maharitra efatra herinandro ny fotoam-piandrasana ho an' ny Fiangonana katôlika sy prôtestanta dia enina herinandro kosa ny fari-potoan' ny Advento ho an' ny Fiangonana ôrtôdôksa noho izy ireo mankalaza ny nahaterahan' i Jesoa amin' ny andron' ny Epifania.
Fotoana manetriketrika ny Advento izay anombohan' ny taom-piangonana. Tsy manao fanamasinam-panambadiana ny Fiangonana katôlika mandritra io fari-potoan' ny Advento na Fiaviana io[1]. Ny volomparasy no loko litorjika ampiasain' ny Fiangonana katôlika sy ny ankabetsahan' ny Fiangonana prôtestanta, nefa ny Fiangonana anglikana sy ny Fiangonana loterana dia mampiasa ny loko manga.