Adalo
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Adalo dia vintana fahiraika ambin'ny folo amin'ny fanandroana malagasy. Ny Adijady no eo alohany ary ny Alohotsy no manaraka azy. Ny tapany andrefana amin'ny rindrin-trano avaratra no toerana omena azy[1]. Vintan-dranomaso sy alahelo ny Adalo araka ny finoan-drazana malagasy.