Abidy malagasy
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny abidy malagasy dia abidy ampiasaina rehefa manoratra amin' ny fiteny malagasy. Avy amin' ny abidy latina io abidy io, ampiasaina amin' ny fanoratana ny ankabeazan' ny fiteny, tsy ao Eorôpa ihany, fa aty Afrika sy any Amerika koa.
![]() |
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina. Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy. |
Abidy nankatoavin-dRadama I tamin' ny 23-26 Marsa 1823 ny abidy malagasy, natao ho solon' ny sorabe (avy amin' ny abidy arabo, nampiasain' ny fiteny any amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Madagasikara, indrindra ny fiteny antemoro). Manana litera 21 ny abidy malagasy. Ny abidy nankatoavin-dRadama dia tsy mampiasa ny litera c sy q sy u sy w ary x.