Ôgoza (vahoaka)
From Wikipedia, the free encyclopedia
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Ôgoza na Ôgozy (Oğuzlar) dia kônfederasiôna nonina tany avaratry ny Ranomasina Aral any Kazakstàna ankehitriny. Nandritra ny fifindran' ny Vahoaka Torkika tamin' ny taonjato faha-10 sy faha-12 dia anisan' ireo Vahoaka Torkika tao amin' ny faritry ny Ranomasina Kaspiana izy ireo izay nifindra monina nianatsimo sy niankandrefana nankany Azia Andrefana sy Eorôpa Atsinanana, fa tsy niantsinanana nankany Siberia.
Heverina ho razamben' ny Vahoaka Torkika andrefana môderina izy ireo: dia ny Azery, ny Tiorkan' i Torkia, ny Torkmena, ny Kaskay, ny Torkikan' i Khorassan sy ny Gagaoza (amin' ny fiteny tiorka taloha: Gök Oğuz: Ôgoza Manga na Ôgozan' ny Lanitra), izay mihoatra ny 100 tapitrisa isa raha mitambatra.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.