Ôseania
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Ôseania dia kôntinenta izay fitambaran' i Aostralia sy ny nosy anarivony maro manodidina (miisa 25 000 any ho any) ao amin' ny faritra atsimon' ny Ranomasimbe Pasifika. Ahitana firenena miisa 16 ny ao Ôseania. Hita ao i Aostralia, i Zelanda Vaovao, i Ginea Vaovao, Tasmania, i Melanezia, i Mikrônezia, i Pôlinezia, i Haoay. Ny nosy sy ny tamba-nosy sasany dia mifanalavitra dia mifanalavitra (anarivony kilômetatra). Manana velarana 8 525 989 km2 ny kôntinentan' i Ôseania, izay onenan' ny mponina miisa 50 tapitrisa any ho any tamin' ny taona 2000. Ny 90 %n' izay dia i Aostralia. Izy no kôntinenta kely indrindra eto an-tany.
Efa nisy mponina hatramin' ny taonarivo maro i Ôseania, ka vahoaka isan-karazany no noniana ao, isan' izany ny Abôrijinan' i Aostralia sy ny Papoa. Ankoatry ny fiteny anglisy sy frantsay izay fiteny manjakazaka any Ôseania hatramin' ny fanjanahan-tany dia misy vondrom-piteny roa ny ao: ny fiteny papoa sy ny fiteny aostrôneziana. Ny valo amin' ny tanàna lehibe indrindra any Ôseania dia ao Aostralia, ka isan' izany i Sydney sy i Melbourne, izay ivangongoan' ny ampahefatry ny mponina ao amin' io kôntinenta io. Misy tanàndehibe dimy hafa izay onenan' ny mponina miisa iray tapitrisa: i Brisbane, i Perth, i Auckland, i Adelaide ary i Honolulu.