Zorofirarazana

From Wikipedia, the free encyclopedia

Amin'ny Malagasy, ny zorofirarazana na zoro firarazana dia ny zoro avaratra-atsinanana amin' ny trano. Omena ny anarana hoe Alahamady na zoron'Alahamady koa io zoro io. Zoro saro-pady sy masina indrindra ny Alahamady teo amin'ny Ntaolo malagasy sy ho an'ny Malagasy mpandala ny fomban-drazana satria eo no itodihana raha mivavaka amin' Andriananahary sy ny razana ary eo no apetraka ireo zava-masina rehetra. Ary izany no maha loham-bintana sy volana voalohany ny Alahamady amin'ny faritra sasany teto Madagasikara.

Jereo koa

Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.