Ny Tsinambolana Lonaka dia ny faritra ao Atsinanana Akaiky misy tany azo volena noho ny fananany toetany manorana, ka ireto ny mamaritra azy: ny tany efitr' i Siria ao atsimo (ny ampahany avaratra amin' ny tany efitr' i Arabia), ny Ranomasina Mediteranea ao andrefana, ary ny tendrombohitra Taorosy sy Zargosa ao avaratra sy ao atsinanana. Mamakivaky an' i Israely ankehitriny, an' i Palestina, an' i Siria, an' i Libàna, ny faritra antsimo-atsinanana amin' i Torkia, ny faritra avaratra sy atsinanana amin' i Iràka, ary ny sisin-taniny andrefan' i Iràna. Tamin' ny taona 1916 no nampiasan' ilay arkeôlôga James Henry Breasted io teny io (anglisy: Fertile Crescent) satria miendrika volan-tsinanana (anglisy: Crescent) ilay faritra.

Thumb
Sarin-tanin' ny Tsinambolana Lonaka nataon' i James Henry Breasted tamin' ny taona 1916.

Jereo koa

Ireo faritra ara-dafintany ao Azia

Fizaràm-paritra hafa ao Azia

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.