Remove ads
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Tirôsy na Tiro[1] na Tira[2] dia tanàna any amin' ny tapany atsimon' i Libanona, iray amin' ireo tanàna tranainy indrindra misy olona eran' izao tontolo izao, na dia tsy nisy mponina firy tamin' ny Andro Antenatenany nandritra ny taonjato vitsivitsy, nisy mponina kely fotsiny. Izy io dia iray amin' ireo tanàna fenisianina lehibe voalohany indrindra sy toerana nahaterahan' i Eorôpa araka ny angano, sy i Kadmôsy ary i Foeniksa rahalahiny, ary koa i Didô mpanorina an' i Kartago. Amin' ny teny arabo izy dia atao hoe صور, fa amin' ny teny grika kosa dia Τύρος / Týros.
Araka ny voasoratra ao amin' ny Baiboly, tamin' ny nanamboarana ny Tempolin' i Jerosalema voalohany (atao hoe Tempolin' i Salômôna, taonjato faha-10 tal. J.K.) dia nandefa hazo sy mpandrafitra sy mpiasa trano tany amin' i Salômôna i Hirama I mpanjakan' i Tiro (1Mpanj. 6-8; 2Tantara 3-5).
Ny Bokin' i Isaia (vita tamin' ny taonjato faha-4 na faha-3 tal. J.K.) dia miresaka ny faharavan' i Babilôna sy i Tiro (Isaia 13 – 23).
Tamin' ny vanipotoan' ny kristianisma dia nisy kônsily na sinôda telo natao tany Tiro dia ireto:
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.