Ny teratanin' i Amerika na Amerindiana na Indianan' i Amerika dia vahoaka nipetraka tao Amerika talohan' ny Eorôpeana. Amin' ny fiteny anglisy dia Native Americans ny anarana omena azy ireo matetika. Avy any Eorazia ny Amerindiana ary tonga tany Amerika tamin' i Beringia taloha (mbola tsy nisy rano teo amin' ny andilan' i Bering tamin' izany fotoana izany). 12 000 taona lasa ny fifindra-monina farany. Ny Paleô-indianina dia niparitaka manerana an' i Amerika, niova ary nihabetsaka ny kolontsaina sy ny fiteny noho ny fiparitahany. Ny teny hoe Indianina dia avy amin' i Christophe Colomb, nihevitra hoe tonga tany Azia (India Atsinanana) izy nefa tany Amerika izy no nitotona, noho izany dia Indianina ny anarana nomeny ny teratany satria tamin' izany fotoana izany, mbola tsy fantatra ny fisian' ny kontinenta amerikana (izy irery ny anisan' ny voalohany niampita ny Ranomasimbe Atlantika tamin' izany fotoana izany).
Betsaka ny vondrom-poko indianina mihaza sy mioty, misy maromaro ihany koa mamboly. Misy fiaraha-monina miaina amin' ny fambolena ary misy sasany hafa mamboly, mihaza ary mioty. Misy faritra any Amerika mbola ipetrahan' ny terataniny; any Meksika sy any Bôlivia izao no tena betsaka teratany indrindra any Amerika raha miresaka ara-kevitra (proportion). Ary misy fiteny teratany maro mbola be mpiteny, toy ny fiteny nahoatla, ny fiteny maia sy ny fiteny goarany. Olona amana tapitrisa no miteny ireo fiteny ireo. Misy koa teratany mbola tsy fantatra ary mbola tsy ary nahita Eorôpeanina. Misy izao ohatra teratany any Brezily (ao amin' ny faritr' i Amazônia) mbola tsy hita mihintsy.
Amerika avaratra
- Foko teratanin' i Amerika Arktika
- Foko teratanin' ny tany lemaka
- Foko teratanin' i Amerika Sobarktika
- Foko teratanin' ny faritany atsimo-andrefana
- Foko teratanin' ny faritany atsimo-atsinanana
- Foko teratanin' ny morontsiraka avaratra-andrefana
- Foko teratanin' ny kamory
- Foko teratanin' i Kalifornia
- Foko teratanin' ny tany lemaka an-tendrombohitra
I Amerika dia voazarazara ho faritany 9 araka izay voalaza teo ambony. Ny faritany iray dia manana toe-tany maha-izy azy ka miova arakaraka izany ny fomba fiainan' ny mponina teratany
Vondrom-piteny amerindianina
Vondrom-piteny aljika
Ny fiteny wiyot, miami, illinois, etchemin, loup A, loup B, mahican, massachusett, mohegan, pequot, nanticoke, narragansett, pamlico, powhatan, kiripì, naugatuck, unami, unquachog sy shinnecock dia lazaina fa maty avokoa; ny mpiteny wiyot farany (Della Prince) dia matin' ny fahanterana taminy taona 1962. Ny teny sasany rehetra dia atahorana ho faty ihany koa. 12 sisa ny mpiteny yurok.
Vondrom-piteny algônkiana
Azontsika sokajiana ho anaty vondrona roa lehibe ny fiteny algonkianina:
- ny fiteny algonkianin' ny tany lemaka;
- ary ny fiteny algonkianin' ny ala lehibe sobarktika.
Vondrom-piteny sioanina-kataobanina
Amin' ny vondrom-piteny sioanina-kataobanina dia ahitana fiteny fito ambin' ny folo
Moskôgeanina
I. Mosokôgeana tandrefana
II. Mosokôgeana tatsinanana
- A. Mosokôgeana tafovoany
- i. Renivondrona apalatsia-alabama-koasaty
- a. alabama-koasati
- 3. Alabama
- 4. Koasati
- b. apalatsia
- 5. apalatsia
- a. alabama-koasati
- ii. hitsiti-mikasokỳ
- 6. hitsiti-mikasokỳ
- i. Renivondrona apalatsia-alabama-koasaty
- B. Kiriky
- 7. Kiriky
Atabaskanina
Ny vondrom-piteny atabaskanina dia anisan' ny vondrom-piteny mivelatra indrindra ao Amerika avaratra. Izy io dia hita amin' ny faritany sobarktika .(avaratr' i Kanada, Alaska), amin' ny faritra atsimon' i Etazonia ankehitriny (Texas, New Mexico) ary ao Meksika. Ny teny atabaskanina ihany koa amin' izao fotoana izao no vondrom-piteny teratany be mpiteny indrindra ao Amerika Avaratra sy Afovoany.
Irôkoaianina
Ny teny dia avy amin' ny teny frantsay Iroquois. Tsy dia mazava loatra ny fiavian' ny teny hoe "Iroquois". Misy milaza hoe avy amin' ny filazana hiro kone ("voalazako") ilay teny; na avy amin' ny teny algonkianina Irinakhoi (bibilava misioka). Manonona ny tenany ho Haudenosaunee ny foko irôkoà.
Amerika Afovoany
Karaiba
- Ciboney
- Arawak
- Taino
- Lucayan
- Mponina Karaiba
- Garifuna
- Kuna
Amerika Atsimo
Atsimo ny Amerika Atsimo
- Mapuches (Araucans)
- Puelche
- Tehuelche
- Yamana
- Kaweshkar
- Selknam
- Charrúas
- Gauchos
Jereo koa
Wikiwand in your browser!
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.