From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny teôkrasia dia fitondram-panjakana mahazo fahefana avy amin' ny andriamanitra na amin' Andriamanitra. Amin' izany dia ny andriamanitra na Andriamanitra tenany, na ny fahatongavany ho nofo, na ny solontenany, na ny mpitondra fivavahana, no tompon' ny fahefana. Araka ny hevitr' i Flavio Jôsefa, ao amin' ny atao hoe teôkrasia dia Andriamanitra mihitsy no mitondra ka tsy tokony hisahirana amin' ny pôlitika ny mpino. I Mosesy no nitondra ny vahoaka nefa Andriamanitra no manjaka ary ny teniny no lalàna. [1]
Tamin' ny taonjato faha-19 ny teny hoe teôkrasia dia matetika nampiasaina hiresahana ny fitondrana ara-pôlitika miorina amina foto-kevitra ara-pivavahana na tantanina mpitondra fivavahana. Ampiasaina indrindra io teny io amin' izao hanondroana ny fifangaroan' ny pôlitika sy ny fivavahana ka ny Fiangonana no tompon' ny fahefam-panjakana.
Ilay mpanavao fiangonana Jean Calvin tamin' ny taonjato faha-15 sy ilay olom-panjakana sady miaramila atao hoe Olivier Cromwell tamin' ny taonjato faha-16 dia nanandrana hametraka fitondrana teôkratika[2].
Avy amin' ny teny grika hoe θεοκρατία / theokratia, izay midika ara-bakiteny hoe "fitondran' andriamanitra" na "fanapahan' andriamanitra", ny hoe teôkrasia. Fikambanan' ny anarana hoe θεός / theos "andriamanitra" sy ny matoanteny hoe κρατέω / krateo "mitondra" na "manapaka" ny hoe θεοκρατία.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.