Ny tengrisma na tangraisma no finoana lehibe narahin' ny Xiongnu, avy eo ny Xianbei izay nahitana vahoaka torkika sy môngôliana nandritra ny tapany farany tamin' ny Andro Taloha (taonjato faha-3 hatramin' ny faha-6) ary tamin' ny Andro Antenatenany (taonjato faha-6 hatramin' ny faha-13). Atao hoe Tengri, Tanrı, Gök Tanrı  izy amin' ny teny tiorka, fa Тэнгэр шүтлэг, Tenger shütleg, ("fanompoam-pivavahana amin' ny lanitra" na "fivavahana amin' ny lanitra") kosa amin' ny fiteny môngôliana.

Thumb
Famantarana ampiasain' ny Tengrista, maneho ny firafitr' izao rehetra izao, andriamanitra Tengri, ny fanokafana ny tafon' ny yurt (tranolain' ny vahoaka torkika sy môngôlika), ary ny amponga samana.

Izany fivavahana izany dia anisan' ny finoan' ireo sangany mpitarika ny vahoaka tao Azia Afovoany, ny Hona sy ny Prôtô-Bolgariana ary ny Magiara voalohany. Mifototra amin' ny finoana andriamanitra mandrakizay any an-danitra, atao hoe Tengri (nosoratana koa hoe Tangri, Tanrı, Tangra, sns.) ity fivavahana ity, ary mampiditra singa avy amin' ny samanisma, ny animisma, ny tôtemisma ary fivavahana amin' ny razana.

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.