Taratasy zozoro

From Wikipedia, the free encyclopedia

Taratasy zozoro

Ny taratasy zozoro na papirosy na papiry dia taratasy fanoratana azo avy amin' ny fikarakarana ny tahon' ny zavamaniry iray izay karazana zozoro (Cyperus papyrus). Ny anarana hoe papirosy na papiry dia avy amin' ny teny grika hoe πάπυρος / papyros, izay atao amin' ny teny latina hoe papyrum na papyrus. Efa tany amin' ny 5 000 taona lasa tany no nahitan' ny olona ny fomba fanamboarana ny taratasy zozoro ary nampiasa azy io ny Egiptiana taloha sy ny mponina manodidina ny Ranomasina Mediteranea taloha.

Thumb
Ny Bokin' ny Maty egiptiana, vita amin' ny taratasy zozoro.
Thumb
Cyperus papyrus
Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.