Tarana-mpanjaka

From Wikipedia, the free encyclopedia

Ny tarana-mpanjaka na dinastia dia fifandimbiasan' ny mpitondra ao amin' ny fianakaviana iray ihany. Matetika ao anatin' ny tontolon' ny rafitra ahitana mpanjaka, fa indraindray koa miseho any amin' ny repoblika. Azo antsoina koa hoe "trano", "fianakaviana" na "fokom-pianakaviana", ankoatra ny hafa, ny tarana-mpanjaka.

Ny mpahay tantara dia mamaritra ny tantaran' ny firenena sy sivilizasiôna maro, toy ny Empira Rômana (27 tal JK - 1453 taor JK), i Iràna tamin' ny andron' ny empira (Persia: ny Mediana sy ny Akemenida: 678 tal JK - 1979 tal JK), i Egipta tamin' ny Andro Taloha (3100-30 tal JK), ary i Sina tamin' ny Andro Taloha sy tamin' ny andron' ny empira (2070 tal JK - 1912 taor JK), ny Fanjakan' i Frantsa, tamin' ny alalan' ny rafitry ny tarana-mpanjaka nifandimby. Noho izany, ny teny hoe "dinastia" dia azo ampiasaina mba hamerana ny vanim-potoana nanjakan' ny fianakaviana iray.

Talohan' ny taonjato faha-18, ny ankamaroan' ny tarana-mpanjaka eran-tany dia noheverina ho fifandimbiasan' ny lahy, sahala amn 'ny an' ireo izay nanaraka ny lalàna salika franka. Ao amin' ny fitondrana pôlitika izay ahitana ny fandimbiasan' ny zanakavavy dia mazàna no nanangana tarana-mpanjaka vaovao amin' ny anaran' ny fianakavian' ny vadiny. Niova izany tao amin' ny fanjakàm-panjaka sisa tavela tany Eorôpa, izay ahitana lalànam-pifandimbiasana sy ny fifanarahana izay nihazonana ny anaran' ny tarana-mpanjaka ara-dalàna amin' ny alalan' ny vehivavy.

Nihena ny fitondrana pôlitika ahitana dinastia rehefa nandeha ny fotoana, noho ny fihenan' ny fanaovana ny fanjakà-mpanjaka ho endrika governemanta, sy ny fisandratan' ny demôkrasia, ary ny fihenan' ny isan' ny mpikambana voafidy avy amin' ny fianakaviana dinastika ao amin' ny fitondrana demôkratika.

Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.