Ny taontaonkafa na taotaonkafa na kankafotra dia vorona madinika, iray karazana amin'ny toloho. Na eto Madagasikara aza no tena ahitana azy dia hita any Afrika Atsimo, any Zambia, any Malaoy, any Borondy, any Roanda, any Oganda, ary any amin'ny Repoblika demokratikan'i Kongo koa ny kankafotra. Mirefy eo amin'ny 28 sm eo ny halavany[1].

Thumb
Taotaonkafa

Famaritana

Thumb
Taotaonkafa

Izao no amaritan'i Rajemia-Raolisona Régis azy ao amin'ny Rakibolana Malagasy:

"Karazam-borona ohatra ny voromailala ny habeny, vasobaso-bolo, mitovy amin' ny toloho ny bikan' ny tenany fa ny toloho menamena, malaza amin' ny fanenony tsy miova ary tsy diso fotoana (amin' ny fiandohan' ny lohataona sy fahavaratra) ka nahatonga ilay fitenenana hoe: "Volan-kankafotra ka ny omaly tsy miova ihany". (Anaran-kafa iantsoana azy koa: Taontaonkafa)"[2].

Anarany

Ny anarany siantifika dia Cuculus rochii. Amin'ny teny frantsay izy dia atao hoe Coucou de Madagascar, fa amin'ny teny anglisy kosa dia atao hoe Madagascan cuckoo na Madagascar lesser cuckoo.

Ohabolana momba ny kankafotra na taontaonkafa

  • Hoatry ny volan' ny kankafotra, ka ny omaly tsy miova.
  • Kankafotra aho : manambara taona, fa tsy hitsabo.
  • Tsy ny fahamaroan' ny vorona, fa ny kankafotra mahalala taona.
  • Tsy ny fahamaron' ny vorona, fa ny kankafotra no famantaran-taona.
  • Volan' ny kankafotra, ka ny feo omaly tsy miova.
  • Volan-kankafotra ka ny omaly tsy miova ihany.

Loharano sy fanamarihana

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.