From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny sarnaisma dia fivavahana amin' ireo zohy masina (Sarna) ao amin' ny fanao ifandovana ao amin' ny faritry ny Lembalemban' i Chota Nagpur ao amin' ny fanjakan' i Jharkhand sy ny an' i Bihar sy ny an' i Assam ary ny an' i Chhattisgarh any India. Anisan' ireo antsoina hoe fivavahana indiana ny sarnaisma. Ny mpanaraka izany fivavahana izany voalohany dia tao amin' ny fokon' ny Baiga, ny an' ny Ho, ny an' ny Kurukh, ny an' ny Munda ary ny an' ny Santal. Araka ny finoan' ny mpanaraka ity fivavahana ity dia misy Gram deoti na Grāmadevatā ("andriamanitry ny tanàna ambanivohitra") ao amin' ireo Sarna ("zohy") ireo, ka ao ny mpino no manolotra sorona indroa isan-taona.
Taona vitsy lasa izay no nisy fikambanana ara-poko sy fikambanan' ny foko Kudumi Mahato nangataka fehezan-dalàna ho an' ny Sarna, izay azy manokana fa tsy itambarany amin' ny hindoisma, satria mino izy ireo fa mivavaka amin' ny zavaboary.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.