I Saint-Louis, izay antsoina matetika hoe Saint-Louis-du-Sénégal, dia iray amin' ireo tanàna lehibe indrindra ao Senegaly ary, ara-tantara, dia iray amin' ireo tanàna manan-danja indrindra, araka ny asehon' ny fampidirana azy ao amin' ny lisitry ny lova maneran-tanin' ny UNESCO. Miaraka amin' i Gorée sy i Rufisque ary i Dakar dia anisan' ny kaominina efatra niasa tanteraka tao Senegaly izay nandefa solombavambahoaka tany amin' ny Antenimiera frantsay nanomboka tamin' ny taonjato faha-19. I Saint-Louis dia eo am-bavan' ny ony Sénégal, 264 km avaratry ny renivohitry ilay firenena, Dakar, akaikin' ny sisin-tany manefitra amin' i Maoritania.

Thumb
Nosin' i Saint-Louis

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.