From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Rial (persiana: ریال) no vola ôfisialin' i Iràna. Ny teny hoe Rial dia avy amin’ ny anaran’ ny vola espaniôla Real izay ekena any Atsinanana Akaiky. Ny Rial dia mizara ho Dinar 100, saingy kely dia kely ny sandan’ ny Rial amin' izao fotoana izao ka tsy ampiasaina intsony ny jotsotombony. Mifanohitra amin' izany kosa, ny Iraniana dia mampiasa ny teny hoe Tuman na Toman (persana: تومان) isan' andro, izay mitentina 10 Rial. Tsy misy marika ôfisialy ho an' ity vola ity. Ny vola madinika mivezivezy dia ny 50, ny 100, ny 250, ary ny 500 Rial. Ny vola madinika 5 sy 10 Rial dia ara-dalàna saingy tsy avoaka intsony. Ny vola taratasy mivezivezy dia ny 1 000, ny 2 000, ny 5 000, ny 10 000, ny 20 000, ny 50 000, ny 100 000, ny 500 000 ary ny 1 000 000 Rial.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.