Remove ads
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Paoly VI dia papa izay nitondra tamin'ny taona 1963 hatramin'ny 1978. Mizaka ny zom-pirenen'i Italia teraka ny 26 Septambra 1897 ary maty ny 6 Aogositra 1978. Izy no nitarika ny ankamaroan'ny fotoana nanaovana ny konsily Vatikana II ka tamin'ny no nivoahan'ny zava-baovao moma ny Fiangonana katôlika. Giovanni Battista Montini no tena anarany.
Paoly VI | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Paoly VI | ||
Teraka | 26 Septambra 1897 | ||
Maty | 6 Aogositra 1978 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Italia | ||
Asa : | Tsy fantatra | ||
Fiainana manokana | |||
Nandalim-pahaizana tao Brescia ao Roma izy ka nahazo mari-pahaizana amin'ny filozofia, teolojia, lalàna kanonika ary lalàna sivily. Voahosotra ho pretra tamin'ny taona 1920 izy. Niasa tao amin'ny sekreteriatam-panjakana tao Vatikana izy nanomboka amin'ny taona 1933. Voatendry ho arsevekan'i Milano izy tamin'ny taona 1954 ary voatendry ho kardinaly koa tamin'ny taona 1958. Nihaona tamin'ny patriarkan'ny Fiangonana ortodoksa grika Athênagoras I tany Konstantinopoly izy ka nifanaraka taminy hanafoana ilay fifanozonana nifanaovan'ny Katolika sy ny Ortodoksa tamin'ny taona 1054 tamin'ny nisarahan'ny Fiangonan'ny Atsinanana sy ny Fiangonan'ny Andrefana. I Paoly VI no nanaiky tamin'ny taona 1969 ny fanaovana sorona masina amin'ny fitenin'ny olona andavanandro fa tsy voatery amin'ny fiteny latina. Nanamafy tsy fanabadian'ny pretra izy tamin'ny taona 1967.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.