From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fanoharana ny amin' ny "Ondry nania ka hita indray" na "Ondry very" na "fanoharana ny amin' ny Mpiandry tsara" na "Mpiandry tsara" dia fanoharana tareterin'ny lovantsofina kristiana ao amin' ny Testamenta Vaovao fa nataon' i Jesoa. Ao amin'ny Evanjelin' i Matio (Mat. 18.12-14) sy ao amin' ny Evanjelin' i Lioka (Lio. 15.3-7) no ahitana io fanoharana io. Hita ao amin' ny Evanjely apôkrifan' i Tômasy koa io fanoharana io ao amin'ny logion 107. Azo atao koa ny mampitaha azy amin' izay voasoratra ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin'ny Bokin' i Ezekiela (Ezek. 34.6-12) sy ao amin' ny Bokin' ny Salamo (Sal. 119 sy 176).
Ity fanoharana ity dia niteraka ny fitenenana hoe "ondry veryy" na "ondry mania", izay anondroana, sahala amin'ny "zanaka adala" (na "zanaka mpandany") na "ilay farantsa very", ireo olona izay mania ara-pitondran-tena.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.