Mpikarama an' ady
From Wikipedia, the free encyclopedia
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny mpikarama an' ady dia vahiny mpiady matihanina manampy firenena miady na orinasa na hetsika ara-pôlitika na fikambanana hafa miady, mandray anjara mivantana amin' ny ady, ivelan' ny rafitra ara-dalàna momba ny fandraisana miaramila. Tsy maintsy mahazo tombony manokana - izay miendrika tambin-karama ambonimbony kokoa noho ny an' ny namany ao amin' ny tafika ara-dalàna.
Amin' ny ankapobeny, ny asan' ny mpikarama an' ady dia ilaina rehefa misy hetsika ara-miaramila voatondro mazava sy mandritra ny fotoana voafetra. Na izany aza, ny faharetan' ny fifampiraharahana sy ny maha vonjimaika na maharitra ny asany dia tsy fepetra anavahana ny miaramila mahazatra sy ny mpikarama an' ady, satria ny mpikarama an' ady sasany dia azo omena andraikitra maharitra. Sahaka amin' izany ny mpiambina varangiana[1] tao amin' ny emperoran' i Bizantioma tamin' ny Andro Antenatenany sy ny Soisa mpiambina ny papa amin' izao fotoana izao, izay tsy heverina ho mpikarama an' ady araka ny Fifanarahana tao Geneva[2].
Tany Frantsa, ny mpanjaka dia naka Ekôsey sy Soisa ho mpiambina manokana. Tany Italia, ny mpikarama an' ady, izay antsoina hoe condottieri, dia nampiasain' ny andriandahy mandra-pahatongan' ny Renaissance, ary ny fianakavian' ny mpikarama an' ady sasany, toy ny fianakaviana Sforza, dia nahazo fahefana lehibe.
Ny miaramila vahiny mirotsaka an-tsitrapo toy ny mpikambana ao amin' ny Légion étrangère française[3] na ny Gurkha[4] dia tsy mpikarama an' ady na dia mahafeno ny fepetra sasantsasany ao amin' ny andininy faha-47 amin' ny prôtôkôly fanampiny amin' ny Fifanarahana tao Geneva tamin' ny 12 Aogositra 1949 momba ny fiarovana ireo niharam-boina amin' ny ady mitam-piadiana iraisam-pirenena.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.