Remove ads

Ny mpianatr' i Jesoa roa amby fitopolo na mpianatr' i Jesoa fitopolo na mpianatr' i Jesosy roa amby fitopolo na mpianatr' i Jesosy fitopolo izay nofidin' i Jesoa na Jesosy ka nirahiny ho any amin' ny faritra samihafa mba hitory ny Filazantsara. Ny lovantsofin' ny Kristiana tandrefana dia manao azy ireo hoe "mpianatra" (amin' ny teny grika: μαθητής / mathētḗs; amin'ny teny latina: discipulus) fa ny Kristiana tantsinanana kosa miantso azy ireo hoe "apôstôly" (grika: ἀπόστολος / apóstolos, izany hoe "iraka"; latina: apostolus). Ny dikan-tenin' ny Baiboly kristiana sasany dia ahitana teny midika hoe "fitopolo" fa ny hafa kosa ahitana teny midika hoe "roa amby fitopolo". Ao amin' ny Evanjelin' i Lioka irery (Lio. 10:1-24) no ahitana ny firesahana azy ireo.

Misy mihevitra, noho izany, fa ny Apôstôly tsirairay dia misahana ny fampianarana mpianatra enina avy, ka mahatonga ny isa ho lasa 84, izany hoe ny Apôstôly 12 miampy ny mpianatra 72.

Remove ads

Jereo koa

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.

Remove ads