Remove ads
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny markiônisma na marsiônisma dia firehana teôlôjika tao amin' ny Fiangonana voalohany sady finoana doalista (finoana ny fisian' ny Andriamanitra roa mifanohitra) izay nipoitra avy tamin' ny gnôstisisma ka milaza fa ny vaovao mahafalin' i Kristy dia vaovao mahafalim-pitiavana madiodio ka mifanohitra amin' ny Lalàn' i Mosesy izay an' ny vahoakan' i Israely taloha. Noho izany dia tsipahiny ny Testamenta Taloha. Ilay Andriamanitra mpamorona ao amin' ny Testamenta Taloha dia tsy misy ifandraisany amin' ny Andriamanitra fitiavana ao amin' ny Testamenta Vaovao. Notorin' i Markiôna (na Marsiôna) tao Rôma tamin' ny taonjato faha-2 taor. J.K. izany finoana izany ka nambaran' ny Fiangonana tamin' ny taona 144 fa fampianaran-diso ary naongana i Markiôna.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.