From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny krisma dia eva famantarana kristiana izay efa nampiasaina tamin' ny vanimpotoan' ny kristianisma voalohany. Ny litera grika Ι (iota) sy Χ (khi) no mamorona azy — izay litera anombohan' ny anarana hoe Ἰησοῦς Χριστός / Iêsoûs Khristos ("Jesoa Kristy" na "Jesosy Kristy") — avy eo, taty aoriana, ny litera grika Χ (khi) sy Ρ (rhô) — litera roa voalohany ao amin' ny hoe Χριστός / Khristos ("Kristy") — ny fampiasana io fomba fanoratra voaresaka farany io, izay mifamatotra amin' ilay emperora rômana kristiana voalohany Kônstantino I, dia nisolo ilay voaresaka voalohany. Ny krisma dia fahita tany Atsinanana, indrindra tao amin' ny ampahany atsinanana tao amin' ny Empira Rômana taloha.
Raha manao an' io famantarana io hoe Chrisme ny teny frantsay, ny teny anglisy kosa manao hoe Chi Rho.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.