Ny kôngregasiônalisma na rafitra kôngregasiônaly dia rafi-pitantanam-piangonana izay manome fahefana ny mpikambana rehetra ao amin' ny fiangonana isan-toerana, izany hoe ny Kristiana rehetra. Izany fomba fitantanana izany dia aorin' ny mpankasitraka azy amin' izay voalaza ao amin' ny Testamenta Vaovao, indrindra araka ny Asan' ny Apôstôly. Tao amin' ny fiangonana voalohany dia izany no fomba nitantanana ny fiangonana isan-toerana rehetra talohan' ny nisian' ny fanavahana ny Kristiana ho sokajy roa, dia ny mpitondra fiangonana sy ny kristiana tsotra (na lahîka). Nanomboka tamin' ny emperora Kônstantino I tamin' ny taona 315 no nisian' izany fizaràna ny Kristiana ao amin' ny fiangonana ho roa izany.

Teo amin' ny tantara dia maro ny hetsika sy fikambanana kristiana avy amin' ny Fanavaozana prôtestanta nampihatra izany fomba fitondram-piangonana izany. Mampihatra ny demôkrasia mivantana ny kôngregasiônalisma satria manome fahefana ny mpino rehetra ao am-piangonana. Ny kôngregasiônalisma dia hita matetika ao amin' ireo fiangonana prôtestanta sy fiangonana ara-pilazantsara (na evanjelika).

Jereo koa

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.