From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny kerigma (misy koa ny manoratra hoe kerygma) dia ny votoatin'ny finoana an'i Jesoa Kristy nambara sy nampitain'ireo Kristiana voalohany tamin'ny tsy mpino; io teny io dia mbola ampiasaina hatramin'izao mba hilazana ny fanambaràna ny votoatin'ny finoana kristiana araka ny maha mpamita iraka ilay mpanambara [1].
Ny teny hoe kerigma na kerygma dia fanagasiana ny teny grika hoe κήρυγμα / kérugma ("fanambaràna amin'ny feo mafy") izay avy amin'ny hoe κῆρυξ / kêruks izay midika hoe "mpitondra vaovao" na "mpanambara vaovao".
Ireto ireo fehezan-teny telo izay mamintina izany fanambaràm-pinoana izany:
Ao amin'ny Testamenta Vaovao dia ahitana ny kerigman'i Petera tamin'ny andron'ny Pentekosta (Asa 2.22-24 sy 32 ary 38):
Ny kerigman'i Paoly izay fohy kokoa sy manantitra ny amin'ny fitsanganan-ko velona dia hita ao amin'ny Taratasy nosoratany ho an'ny Korintiana (1Kor. 15.1-8).
Lohatenina epistily apokrifa koa ny hoe: Kerigman'i Petera sy ny Kerigman'i Paoly. Taty aoriana, noho ny fivoaran'ny fampianaran-diso sy ny finoan-diso dia nivoatra ho fankam-pinoana na fiaikem-pinoana ny kerigma, ka nahitana fanambaràna dogmatika (tenim-pinoana) maro kokoa ka ny lehibe amin'ireo dia ny Fanekem-pinoana apostolika sy ny Fanekem-pinoan'i Nikea-Konstantinopoly.
Ny fanambaràna ny kerigma dia heverina ao amin'ny Fiangonana katolika ho fitaovana iray hahafahana manatratra ny fitoriana ny vaovao mahafaly amin'ny fomba vaovao izay nahidrahindran'ny Papa Joany Paoly II. Dingana mialoha ny ketesizy ny kerigma[2].
Ny teny famporisihana apostolika Evangelii gaudium nataon'ny Papa Fransoa dia mampahatsiahy im-betsaka ny kerigma.
Fomba hahafaha-miala amin'ny fampianaram-pinoana samihafa misy ao amin'ny sampana maro ao amin'ny fivavahana kristiana ny kerigma. Izany no nahatonga ny fivoahan'ny tetik'asa moma ny atao hoe "ekiomenisma kerigmatika" araka ny tenin'ny sosiologa Sebastien Fath, manampahaizana manokana momba ny protestantiosma: ny fikaonan-kevitra ara-pilazantsara "Top Chrtien" dia ahitana tolo-kevitra maro araka izany[3].
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.