From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Fanjakan' i Jodà na Fanjakan' i Joda na Fanjakana Atsimo dia fanjakà-mpanjaka tany Atsinanana-Akaiky taloha naorin' ny Israelita tamin' ny Andron' ny Vy. Araka ny Baiboly dia teo anelanelan' ny taona 931 sy 586 tal. J.K. no nisian' io fanjakana io izay nifanefi-tany tamin' ny Fanjakan' i Samaria (na Fanjakan' i Israely) izay nifanohitra taminy. Araka ny Baiboly dia vokatry ny fivakisan' ny Fanjakan' i Israely izay mbola nitambatra izy sy ny Fanjakan' i Samaria taorian' ny nahafatesan' i Sôlômôna (Salômôna). Taorian' ny vanim-potoam-pandrosoana teo ambany fifehezan' ny Fanjakana Asiriana vaovao dia noravan' ny Babilôniana izy tamin' ny andron' i Nebokadnetsara II tamin' ny ady nifanaovan' i Egiptiana sy ny Babilôniana.
Roa fotsiny ny fokom-pirenen' i Israely tafajanona tao amin' ny Fanjakan' i Jodà, dia ny fokom-pirenen' i Jodà sy ny fokom-pirenen' i Benjamina. Nisy ampahany tamin' ny fokom-pirenen' i Levy izay nisahana ny resaka fivavahana tao amin' ny Fanjakan' i Jodà.
Nanomboka teo amin' ny fanjakan' i Rehôbôama na Rôbôama ka hatramin' ny fanjakan' i Zedekia na Sedekiasa ny lisitry ny mpanjakan' i Jodà. I Saoly na Saola sy i Isbôseta sy i Davida ary i Sôlômôna na Salômôna dia mpanjakan' i Israely tamin' izy mbola fanjakana tokana tsy mivaky. Nisy roapolo mahery eo ny isan' ny mpajaka nifandimby nitondra tao Jodà raha tsy isaina i Saoly sy i Davida ary i Salômôna[1].
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.