From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Jitàna na Rômanỳ na Tsigàna na Bôhemiana na Rôma dia vondron' olona indô-ariana, mpandehandeha mpifindra monina monina any Eorôpa ny ankamaroany, ary koa mponina am-pielezana any Amerika. Ny porofom-pitenenana sy ny fototarazo dia manondro fa ny jitàna amin' ny maha-vahoaka azy dia avy any avaratry ny Zana-kôntinenta Indiana (avy any amin' ny faritra misy an' i Rajasthan sy i Haryana ary i Punjab ankehitriny).
Niparitaka izy ireo, fa ny mponina marobe indrindra ao Eorôpa dia indrindra ny Eorôpa Afovoany sy Eorôpa Atsinanana ary Eorôpa Atsimo (anisan'izany i Frantsa atsimo), ary koa i Azia Andrefana (Torkia indrindra).
Ny fitenin' izy ireo, ny fiteny rômany, dia avy amin' ny fiteny sanskrita, tenenina ao amin' ny tapany avaratra-andrefan' ny Zana-kôntinenta Indiana, toy ny fiteny gojaraty, ny fiteny penjaby, ny fiteny rajastany ary ny fiteny sindy.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.