Jôsoa
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Jôsoa na Jôsoe dia ilay lehilahy nanampy an' i Mosesy (na Môizy) tamin' ny fitarihana ny Zanak' i Israely avy any Ejipta hankany amin' ny tany Kanaana sady lasa mpitarika an' io vahoaka io taorian' ny nahafatesan' i Mosesy. Izy no ataon' ny lovantsofina jiosy sy kristiana ho nanoratra ny Bokin' i Jôsoa (na Bokin' i Jôsoe). Ny mpitsara Ôtniela no mandimby azy teo amin' ny fitarihana ny Israelita. Anisan' ny mpaminanin' i Israely i Jôsoa.

Ny anarany
Tamin' ny voalohany dia natao hoe "Hôsea zanak' i Nona" ny anaran' i Jôsoa. I Mosesy no nanova izany ho Jôsoa araka ny Bokin' ny Nomery (Nom. 13.16). Atao hoe יהושוע / Yehoshua, izay midika hoe "Mamonjy i Yeho (Iahveh)" ny anaran' i Jôsoa amin' ny teny hebreo, araka ny hita ao amin' ny Bokin' ny Deoterônômia (Deo. 3.21). Mitovy anarana amin' i Jesoa na Jesosy izy amin' ny teny hebreo, satria samy atao hoe Yehoshua.
Jereo koa
Wikiwand - on
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.