Atao hoe "ankasa" ny isa iray izay azo zaraina roa tsy misy sisa. Ankasa, ohatra, ny isa 0, 2, 4, 6, 8, 10, 12, 14. Henenin' ny roa ny isa ankasa. Ny isa ankasa dia mifanohitra amin' ny isa tsiankasa na tsy ankasa. Atao hoe "tsiankasa" na "tsy ankasa" ny isa iray izay misy tavela raha zaraina roa. Tsiankasa, ohatra ny isa 1, 3, 5, 7, 9, 11, 13, 15. Tsy henenin' ny roa ny isa tsiankasa. Anisan' ny isa ankasa ireto isa miiba ireto: -2; -4; -6; -8; -10; sns. Anisan' ny isa tsiankasa kosa ny isa miiba -1; -3; -5; -7; -9, -11; -13; -15. Tsy anisan' ny isa ankasa na tsiankasa ny isa misy tovany aorian' ny faingo. Ohatra: 1,10; 2,51; 3,131; 4,552; -1,20; -2,55; -3,333; -4,1111.

Kajy momba ny isa ankasa sy tsiankasa

Fifanampiana

  • ankasa + ankasa = ankasa (ohatra: 2 + 6 = 8);
  • ankasa + tsiankasa = tsiankasa (ohatra: 4 + 7= 11);
  • tsiankasa + ankasa = tsiankasa (ohatra: 7 + 4= 11);
  • tsiankasa + tsiankasa = ankasa (ohatra: 3 + 9= 12).

Fifanalana

  • ankasa - ankasa = ankasa (ohatra: 10 - 6 = 4);
  • ankasa - tsiankasa = tsiankasa (ohatra: 10 - 7 = 3);
  • tsiankasa - ankasa = tsiankasa (ohatra: 13 - 2 = 11);
  • tsiankasa - tsiankasa = ankasa (ohatra: 9 - 5 = 4).

Fifampitomboana

Ny vokatry ny isa roa tsivaky (ny fifampitomboany) dia ankasa raha toa ka ny iray (farafahavitsiny) amin' ireo isa ireo no ankasa:

  • ankasa × ankasa = ankasa (ohatra: 2 × 6 = 12);
  • ankasa × tsiankasa= ankasa (ohatra: 4 × 5 = 20);
  • tsiankasa × ankasa= ankasa (ohatra: 5 × 4 = 20);
  • tsiankasa × tsiankasa= tsiankasa (ohatra: 3 × 9 = 27).

Fifampizaràna

Tsy afaka mizara isa tsiankasa mihitsy ny isa ankasa. Ny isa tsiankasa dia afaka mizara isa ankasa, fa avy eo dia mizara ny antsasak' io isa ankasa io koa izy.

  • ankasa / tsiankasa = ankasa (ohatra: 12 / 3 = 4);
  • tsiankasa / tsiankasa = tsiankasa (ohatra: 15 / 3 = 5);
  • tsiankasa / ankasa dia tsy mety ho isa tsivaky velively (ohatra: 15 / 2 = 7,5);
  • ankasa / ankasa dia mety ho ankasa na tsiankasa (ohatra: 12 / 2 = 6; 12 / 4 = 3).

Jereo koa

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.