Hatetika

From Wikipedia, the free encyclopedia

Hatetika

Ny hatetika dia ny isan' ny fiverimberenan' ny zavatra iray ao anatin' ny fe-potoana omena. Ny hatetika dia matetika refesina amin' ny venti-drefy hertz (Hz), dia ny isan' ny fisehoan-javatra miverimberina isaky ny venty fandrefesam-potoana, ny segondra (s). Ny 1 Hz dia midika fa miseho indray mandeha ny zavatra iray ao anatin' ny iray segondra (1 s), ny 2 Hz izany dia fiverenana indroa ao anatin' ny iray segondra, sns.

Thumb
Fikivikiviky
Thumb
Fihovitry ny amponga

Antsoina hoe hatetika ara-potoana koa izy io indraindray mba hanazavana sy hanavahana azy amin' ny hatetika an-kabaka: amin' ny sehatra ara-teknôlôjia maro dia resahina ny hatetika an-kabaka. Amin' ity fampiasana io teny io ity dia ny habe ao amin' ny habaka no maka ny toeran' ny fotoana. Ny hatetika iray hafa dia ny hatetika ara-joro na halaky ara-joro (ω, izay refesina amin' ny venty "radian isan-tsegondra" [rad/s]), ho an' ny zavatra mihodinkodina.

Ny tsingerina (T) dia ny hebam-ptoana eo anelanelan' ny zava-mitranga, ka ny tsingerina dia ny fotitry ny hatetika: T = 1/f.

Ny hatetika dia mpihazaka manan-danja ampiasaina amin' ny siansa sy injenieria mba hamaritana ny tahan' ny zava-miseho mikivilivily (en) sy mihararetra (en), toy ny fihovitrovitra mekanika, ny onjam-peo, ary ny hazavana.

Ohatra, raha mitempo in-120 isa-minitra (2 Hz) ny fo iray, dia antsasa-tsegondra ny tsingerina — ny heba eo anelanelan' ny fitepon' ny fo.

Thumb
Diapazôna A-440

Amin' ny mozika na fahasalamana dia fampiasa ny tempo ny BPM (anglisy: beats per minute). Ny haavom-peo dia vokatry ny isan' ny fihovitra miseho ao anatin' ny fotoana iray: arakaraka ny habetsahan' ny fihovitra no mamparanitra kokoa ny feo: ny hatetika mifandray amin' ny maripeo La na A an' ny diapazôna, ohatra, dia mirefy 440 Hz.

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.