Remove ads
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Harun al-Rashid dia kalifa fahadimy (tamin’ ny taona 786 hatramin’ ny 809) avy amin' ny tarana-mpanjaka Abasida tao Bagdad. Teraka tamin' ny 17 Marsa 763 ary maty tamin' ny 24 Marsa 809 izy.
Harun al-Rashid | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Harun al-Rashid | ||
Teraka | 17 Martsa 763 | ||
Maty | 24 Martsa 809 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Iran | ||
Asa : | |||
Fiainana manokana | |||
I Al-Mahdi no rainy. Ny vadiny dia i Zubaidah bint Ja`far. Ny zanany dia i Al-Amin, i Al-Ma'mun, i Al-Mu'tasim, ary i Al-Qasim ibn Harun al-Rashid. Ny rahalahiny dia i Al-Hadi.
Ny anarany dia midika ara-bakiteny hoe "Aarôna Ilay Marina". Zanakalahin' ny kalifa abasida fahatelo, Al-Mahdi, izy, izay nandimby ny rahalahiny Al-Hadi teo amin' ny seza fiandrianana rehefa maty ity rahalahiny ity. Ny fitondran' i Harun al-Rashid dia voamariky ny fivoarana ara-kolontsaina lehibe.
Hatramin' ny taona 803 dia nampiandraiketina an' i Yahya ibn Khalid (maty tokony tamin’ ny taona 803), viziry lehibe na mpanolo-tsain’ ny fanjakana, sady lohan' ny fianakavian’ ny Barmakida. I Bagdad, renivohitry ny fanjakan' i Harun al-Rashid, no lasa tanàna nanankarena indrindra tamin' izany fotoana izany, ary ny haren' ny kalifata dia natao ho an' ny fandaniana be tsy dia ilaina. Mpanjaka maro no nandoa hetra amin’ ny kalifa ary trano mirentirenty sy lafo vidy maro no naorina ho fanomezam-boninahitra azy.
Voalaza fa nifanakalo fanomezana tamin’ i Charlemagne izy. I Harun al-Rashid no mpiahy malala-tanana ny manam-pahaizana sy ny pôeta ary ny mpitendry zavamaneno, ary ny olo-malaza mozilmana tamin' izany fotoana izany dia noraisina teo amin' ny lapany. Izy no mahery fo resahina ao amin' ny hira sy angano maro dia maro. Malaza any Andrefana amin' ny maha kalifa nanana lapa voalaza ao amin' ny Anganon’ ny Alina Iraika amby Arivo izy.
Teo anelanelan’ ny taona 791 sy 809, ny empiran' i Harun al-Rashid dia niady amin' ny Empitra Bizantina ary tamin' ny taona 807 dia nibodo ny faritany bizantinan’ i Kiprôsy ny tafiny. Tamin' ny fiafaran' ny fitondrany dia nisy ny soso-kevitra natolotra an' i Harun al-Rashid mba hanesorana ny Barmakida, ary tamin' ny taona 803 dia nogadrainy ny viziry lehibe. Ny kalifa dia maty tamin’ ny diabe fanafihana natao handravana ny fikomiana tany atsinanan' ilay fanjakana.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.