From Wikipedia, the free encyclopedia
I Friedrich Wilhelm Nietzsche dia filôzôfa, mpitsikera kolontsaina, mpamorona mozika, pôeta, mpanoratra ary filôlôga alemàna izay nisy vokany lalina teo amin' ny tantara ara-tsaina ankehitriny ny sangan' asany. Teraka tamin' ny 15 Ôktôbra 1844 tao Röcken tany Prosia izy ary maty tamin' ny 25 Aogositra 1900 tao Weimar any Sachsen-Weimar-Eisenach.
Friedrich Nietzsche | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Friedrich Nietzsche | ||
Teraka | 15 Oktobra 1844 | ||
Maty | 25 Aogositra 1900 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Alemaina | ||
Asa : | |||
Fiainana manokana | |||
Nanomboka ny asa maha filôlôga klasika azy izy talohan' ny nitodika tany amin' ny filôzôfia. Tamin' ny taona 1869, teo amin' ny faha-24 taonany, dia izy no zandriny indrindra nitana ny fiketrahan' ny filôlôjia klasika tao amin' ny Oniversiten' i Basel. Nametra-pialana izy tamin' ny taona 1879 noho ny olana ara-pahasalamana izay nanelingelina azy nandritra ny androm-piainany, ary nahavita ny ankamaroan' ny asasorany fototra nandritra ny folo taona manaraka. Tamin' ny taona 1889, teo amin' ny faha-44 taonany, dia nianjera izy ary, taorian' izay dia very saina tanteraka izy. Nandany ny taonany farany teo ambany fiahian' ny reniny izy, avy eo tao amin' i Elisabeth Förster-Nietzsche anabaviny.
I Carl Ludwig Nietzsche no rainy. Ny anabaviny dia i Elisabeth Förster-Nietzsche.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.