From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fokom-pirenen' i Benjamina na firenen' i Benjamina dia iray amin' ny fokom-pirenena roa ambin' ny folon' i Israely. Ny anjara tanin' io fokom-pirenena io dia eo anelanelan' ny fokom-pirenen' i Efraima ao avaratra sy ny fokom-pirenen' i Jodà ao atsimo, ny fokom-pirenen' i Dana ao andrefana, ary ny ony Jordana ao antsinanana. Iray amin' ny fokom-pirenena tao amin' ny Fanjakan' i Jodà ny fokom-pirenen' i Benjamina.
I Benjamina (hebreo: בנימין / Binyamin) dia zanaka faha-13 sady faralahin' i Jakôba. I Rahely no anaran-dreniny. I Jôsefa irery ihany no rahalahy iray reny aminy. Indreto ny zanany lahy: Bela, Bekera, Asbela, Gera, Naamana, Ehy, Rosa, Mopima, Hopima ary Arda (Genesisy 46:21).
Ny anjara tanin' io fokom-pirenena io dia eo anelanelan' ny fokom-pirenen' i Efraima ao avaratra sy ny fokom-pirenen' i Jodà ao atsimo, ny fokom-pirenen' i Dana ao andrefana, ary ny ony Jordana ao atsinanana.
I Jerosalema sy i Jerikô sy i Betela ary i Gibeôna no tanàna malaza ao aminy. Tao Rama no teraka ny mpaminany sy mpitsara farany Samoela ka rehefa avy nobeazina tao Silô izy dia nonina tao Rama indray (1 Samoela 7:17) izay voalaza fa misy ny fasany (1Samoela 25:1).
Taty aoriana dia iray amin' ny fokom-pirenena tao amin' ny Fanjakan' i Jodà ny fokom-pirenen' i Benjamina taorian' ny fisarahan' ny Fanjakan' i Samaria tamin' ny Fanjakan' i Jodà.
Ny fokom-pirenen' i Benjamina no nipoiran' i Saoly (na Saola), mpanjaka voalohan' i Israely sy nodimbasan' i Davida. I Abidana no andriandahin' ny fokom-pirenen' i Benjamina.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.