Fitrandrahana ala

From Wikipedia, the free encyclopedia

Fitrandrahana ala

Ny fitrandrahana ala na fitrandrahana hazo dia ny fanapahana sy ny fanodinana ary ny famindrana hazo ho any amin' ny toerana fitaterana. Mety ho tafiditra ao anatin' izany ny fitetezana, ny fanodinana eny an-toerana, ary ny fametrahana hazo na vatan-kazo amin' ny kamiao na fiarandalamby.

Thumb

Ny fitrandrahana ala dia fiandohan' ny rojo famatsiana izay manome akora ampiasaina amin' ny fanamboarana trano fonenana, fanamboarana na fanorenana zavatra samihafa (tetezana, sns), fahazoana angovo (arina, sns) ary famokarana taratasy. Ny fitrandrahana hazo dia ampiasaina amin' ny fitantanana ny ala, amin’ ny fampihenana ny mety hisian' ny doro tanety, ary amin' ny famerenana amin' ny laoniny ny anajara asan' ny tontolo iainana.

Ny fitrandrahana ala tsy ara-dalàna dia manondro ny fikapana, ny fitaterana, ny fividianana, na ny fivarotana hazo izay mandika lalàna. Ny fomba fikapana mihitsy dia mety ho tsy ara-dalàna, anisan' izany ny fampiasana fomba misy kolikoly hahazoana miditra amin' ny ala; fitrandrahana tsy nahazoana alalana na atao ao amin' ny faritra arovana; ny fanapahana ny karazan-kazo arovana; na ny fitrandrahana hazo mihoatra ny fetra nifanarahana.

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.