From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny zarma dia iray amin' ny fiteny sôngay tenenina ao Nizera, ao Nizerià, ao Borkina Fasô, ao Maly, ao Sodàna, ao Benîno ary ao Ganà ity fiteny ity. Io no fiteny lehibe indrindra ao amin' ny faritra atsimo-andrefana ao Nizera. Anisan' ny fiteny sôngay atsimo, ao amin' ny fianakaviam-piteny nilô-sahariana, ny fiteny zarma.
Ny fiteny zarma no fiteny faharoa be mpampiasa indrindra ao Nizera, aorian' ny fiteny haosa, izay ampiasaina any amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Nizera. Manana mpiteny miisa 2 tapitrisa mahery ny fiteny zarma izay fiteny sôngay be mpampiasa indrindra.
Mety ho soratana toy izao ny anaran' ity fiteny ity: jerma, diabarma, diarma, dierma, ajerma, zabarma, zarbarma, zarmasy na zerma.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.