Ny fiteny noristany na fiteny pasay dia zana-tsampan' ny fiteny indô-iraniana. Ireo fiteny ireo dia tenenin' ny olona miisa 500 000 any ho any, indrindra ao Nuristan, any Afganistàna. Taloha izy ireo dia nantsoina amin' ny anarana fanaratsiana hoe fiteny kafiry ("fitenin' ny tsy mino ny fivavahana silamo). Ny faritra onenan' ny vahoaka noristany dia ao amin' ny tapany atsimon' ny tendrombohitra Hindu Kush, sady tondrahan' ny renirano Alingar ao andrefana, ny renirano Pech ao afovoany, ary ny renirano Lndai Sin sy Kunar ao atsinanana.

Thumb
Ny faritanin' i Nuristan ao Afganistana

Ireo fiteny noristany

Fiteny noristany avaratra

Ny fiteny noristany avaratra dia ahitana ny fiteny kamkata-vary sy ny fiteny vasi-vary (na prasona). Ny fiteny kamkata-vary dia tenenin' ny olona miisa 40 000 any ho any ao Bashgali, miseho amin' ny endrika fitenim-paritra kata-vary sy kamviry ary momviry. Ny fiteny vasi-vary dia tenin' ny olona miisa 8 000 any ho any ao Prasuni.

Fiteny noristany atsimo

Ny fiteny noristany atsimo dia mamondrona ny fiteny askono, ny fiteny oaigaly, ny fiteny tregamy ary ny fiteny zemiaky. Ny fiteny askono dia tenenin' ny olona miisa 40 000 any ho any ao Ashkun. Tenenin' ny olona miisa 12 000 any ho any ao Kalasha-ala ny fiteny oaigaly. Ampiasain' ny olona miisa 3 500 any ho any ao Gambiri ny fiteny tregamy. Ny fiteny zemiaky kosa dia tenenin' ny olona 500 any ho any ao amin' ny faritanin' i Kunar.

Jereo koa

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.