Fiteny malaîka

From Wikipedia, the free encyclopedia

Fiteny malaîka

Ny fiteny malaîka dia vondrom-piteny ao amin' ny sampam-piteny malaiô-pôlineziana ao amin' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana. Miisa 53 ireo fiteny ireo ary nantsoina amin' io anarana io, izay avy amin' ny anaran' ny fiteny maley na malay izay zana-bondrona lehibe indrindra ao. Ny toetra somary ntaolontaolo ananan' ireo fiteny ibanika sy kendaiana dia nahatonga ny mpahay teny neerlandey A. Adelaar hihevitra fa ny tany nipoirana sy nitomboan' ny fiteny malaîka dia ao Bôrneô. Iarahan' ny mpahay teny sy ny manam-pahaizana manokana amin' ny tontolo aostrôneziana manaiky izany tsangan-kevitra izany.

Thumb
Faritra itenanana ireo fiteny malaîka

Fansokajiana ny fiteny ao amin' ilay vondrona

Fiteny ibanika

  • Fiteny balao (Malezia, Sarawak);
  • Fiteny ibàna (Malesia, Sarawak);
  • Fiteny moalanga (Indônezia, Kalimantàna);
  • Fiteny remona (Malezia, Sarawak);
  • Fiteny seberoanga (Indônezia, Kalimantàna);
  • Fiteny seboiao (Malezia, Sarawak)

Fiteny kendaiana

  • Fiteny keninjala (Indônezia, Kalimantàna);
  • Fiteny kendaiana (Indônezia, Kalimantàna),

Fiteny malay

Ny vondrom-piteny maley dia ahitana fiteny miisa 45, tenenina ao Somatra, saikanosin' i Malacca, ary any Bôrneô.

Jereo koa

Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.