From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny ôdià na fiteny ôrià dia fiteny indô-ariana ampiasaina ao amin' ny fanjakana indian' i Odisha. Io no fiteny ôfisialy ao Odisha (nadika taloha hoe Orissa), izay ampiasain' ny 82 % amin' ny mponina ao, ary ampiasaina any Bengal Andrefana sy Jharkhand ary Chhattisgarh. Iray amin' ireo fiteny ôfisialy maro ao India ny fiteny ôdià; io no fiteny ôfisialin' i Odisha ary fiteny ôfisialy faharoa any Jharkhand. Io fiteny io koa dia ampiasain' ny mponina be dia be miisa iray tapitrisa farafahakeliny ao Chhattisgarh.
Ny fteny ôdià no fiteny indiana fahenina voatondro ho fiteny klasika, noho ny fananany tantara lava be momba ny haisoratra ary tsy nindran-teny maro tamin' ny fiteny hafa. Efa tamin’ ny taonjato faha-10 no nisy soratra fantatra voalohany indrindra tamin' ny fiteny ôdià.
Araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2011 dia ny fiteny ôdià no fitenin-drazan' ny Indiana miisa 37 521 324, ao anatin' izany ny 34 712 170 ao Odisha (izany hoe 92,5 % amin' ny mpiteny ary 82.7 % amin' ny mponina ao amin' io fanjakana io).
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.