Fetin' ny Trinite
From Wikipedia, the free encyclopedia
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Fetin' ny Trinite na Alahadin' ny Trinite dia fety ankalazana an' Andriamanitra tokana misy persôna telo (Trinite), dia ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
Tao amin' ny Fiangonana voalohany dia tsy nisy fomba fivavahana manokana na andro manokana natokana ho an' ny Trinite Masina. Nefa rehefa niely ny arianisma (izay noheverina ho fampianaran-diso nataon' i Ariosy) dia nanomana fankalazana omban-kira fiderana sy hira ifamaliana, hira mialoha hotononina amin' ny Alahady ny Rain' ny Fiangonana.
Ankalazaina amin' ny Alahady voalohany aorian' ny Pentekôsta ny Fetin' ny Trinite ao amin' ny Fiangonana Tandrefana ary amin' ny Alahadin' ny Pentekôsta kosa ao amin' ny Fiangonana Tatsinanana[1].
Ankalazaina amin' ireo Fiangonana tandrefana rehetra ny Alahadin' ny Trinite, dia ny Fiangonana katôlika ny Fiangonana anglikana[2], ny Fiangonana loterana[3], ny Fiangonana presbiteriana[4], ny Fiangonana Mirain' i Kristy[5] ary ny Fiangonana metôdista[6].
Isaina (asiana laharana) manomboka amin' ny Alahadin' ny Trinite ny Alahady rehetra manaraka ny Pentekôsta hatramin' ny Advento. Araka ny fanao nolovana ao amin' ny Fiangonana katôlika dia mifanindry amin' ny datin' ny Alahady voalohany aorian' ny Pentekôsta ny Alahadin' ny Trinite[7]. Ao amin' ny fombam-pivavahana rômana nasiam-panovana dia mitohy herinandro iray aloha ny fotoana tsotra, dia ny Alatsinainy manaraka ny Pentekôsta, sy ireo Alahady tafalatsaka amin' ny Pentekôsta ka ny Alahadin' ny Trinite dia dinganina amin' io taona io. Ao amin' ny Fiangonan' i Angletera, taorian' ny nampiasana ny fombam-pivavahana Sarum talohan' ny Fanavaozam-piangonana (na Refôrma), ny Alahady manaraka dia atao hoe "Alahady voalohany aorian' ny Trinite", fa ankehitriny ny Fiangonana episkôpalin' i Etazonia[8] dia manaraka ny fanaon' ny Katôlika, ka miantso izany hoe "Alahady faharoa aorian' ny Pentekôsta". Ny fotsy no loko litorjika ampiasaina.
Atao hoe "Trinite Masina Indrindra" io fetin' ny Trinite io ao amin' ny Fiangonana katôlika. Talohan' ny Kônsily Vatikana II dia nanamarika ny fiafaran' ny fari-potoan' ny telo herinandro izay tsy azo anaovana fanamasinam-panambadiana ao am-piangonana izany. Ny fotsy no loko litorjika ampiasaina. Atao amin' io andro io ny Fiekem-pinoan' i Atanasio (na Atanazy), dia ilay atao amin' ny teny latina hoe Quicumque vult. Fetin' ny Vatan' i Kristy (latina: Corpus Christi) ny Alakamisy aorian' ny Alahadin' ny Trinite, nefa amin' ny faritra sasany toy ny any Etazonia sy Kanadà ary Espaina dia ankalazaina amin' ny Alahady manaraka ny Vatan' i Kristy arakaraka ny fahalalahan' ny paroasiana hanatanteraka ny lamesa sy afaka hankalaza izany fety izany.
Ny fiekiem-pinoana atanaziana, na dia tsy dia ampiasain' ny Fiangonana anglikana aza, dia tononina ao amin' ny fiangonana anglikana sasany, indrindra ireo "Fiangonana ambony" (anglisy: High Church). Didian' ny Book of Common Prayer tamin' ny taona 1662 an' ny Fiangonan' i Angletera ny fampiasana azy amin' ny Alahady sasany aorian' ny fivavahana maraina, anisan' izany ny Alahadin' ny Trinite, ary hita koa amin' ny bokim-bavaka maro ao amin' ny fiangonana anglikana ankehitriny izany. Fety lehibe ao amin' ny Fiangonan' i Angletera ny Alahadin' ny Trinite sady anisan' ireo andro fety fito lehibe ao amin' ny Fiangonana episkôpaliana. Mitandrina ny fankalazana ny Vatan' i Kristy (Corpus Christi) amin' ny Alakamisy manaraka, na koa amin' ny Alahady manaraka, ny paroasy anglikana manaraka ny firehana anglô-katôlika, [9].
Ankalazaina araka ny The Book of Worship for Church and Home (1965) ny Fetin' ny Trinite ao amin' ny Fiangonana metôdista[10].
Ao amin' ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana sy ny Fiangonana katôlika tatsinanana, ny Alahadin' ny Pentekôsta dia antsoina hoe Alahadin' ny Trinite (ny Alahady manaraka ny Pentekôsta dia Alahadin' ny Olomasina). Atao hoe Alatsinainin' ny Fanahy Masina ny Alatsinainy manaraka ny Petekôsta, ary ny ampitson' io no Andro fahatelo amin' ny Trinite. Na dia tsy noraiketina ao amin' ny fanao tatsinanana aza ny loko litorjika (raha tokony ho izy dia misy ny loko natokana ho an' ny fety sy ny loko manjombona na loko ho an' ny Karemy), amin' ny fiangonana sasany dia ampiasaina ny maitso amin' ny Pentekôsta ary ny fotoana aorian' ny Pentekôsta.
Anisan' ny fetim-piangonana miovaova daty ny Fetin' ny Trinite. Ny Alahady aorian' ny Pentekôsta sy herinandro valo aorian' ny Alahadin' ny Paska no Alahadin' ny Trinite. Ny 17 Mey (sahala ny tamin' ny taona 1818 sy ny ho amin' ny taona 2285) no daty akaiky indrindra mety ankalazana ny Fetin' ny Trinite. Ny 20 Jona (sahala ny tamin' ny taona 1943 sy ny ho amin' ny taona 2038) no daty tratra aoriana indrindra mety hanaovana io fankalazana io.
Tantsinanana | Tandrefana | |
2014 | 15 Jona | 8 Jona |
2015 | 31 Mey | 31 Mey |
2016 | 22 Mey | 19 Jona |
2017 | 11 Jona | 4 Jona |
2018 | 27 Mey | 27 Mey |
2019 | 16 Jona | 16 Jona |
2020 | 7 Jona | 7 Jona |
2021 | 30 Mey | 20 Jona |
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.