Fahefana mpanao lalàna

From Wikipedia, the free encyclopedia

Ny fahefana mpanao lalàna, ao amin' ny teôrian' ny fisaraham-pahefana ampiharina ankehitriny amin' ny fitondrana demôkratika, dia iray amin' ny fahefana telo mandrafitra ny Fanjakana, miaraka amin' ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana mpitsara ao amin' ny firenena na fizaràn-tany na vondrom-pirenena iray.

Amin' ny ankapobeny dia tompon' andraikitra amin' ny fankatoavana ny lalàna sy ny tetibolam-panjakana (amin' ny alalan' ny fanaovana latsabato) ary ny fanaraha-maso ny fanatanterahana izany ny fahefana mpanao lalàna. Afaka mandinika sy manome todika hafa ny fomba fitantanan-draharahan' ny governemanta, amin' ny alalan' ny fahefana ahafahany manitsy ny tetibola anatanterahana izany ny fahefana mpanao lalàna. Andraikitra manampy ireo rehetra ireo, arakaraka ny firenena, ny fanaraha-maso ny asan' ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana mpitsara. Matetika dia miseho amin' ny endrika antenimiera izany ny fahefana mpanao lalàna.

Antsoina hoe mpanao lalàna ny mpikambana ao amin' ny fahefana mpanao lalàna. Ao amin' ny demôkrasia dia fidin' ny vahoaka afaka mifidy ny mpanao lalàna, nefa azo ampiasaina ihany koa ny fifidianana tsy mivantana (ataon' ny mpifidy vaventy) sy ny fanendrena ataon' ny mpanatanteraka, indrindra ao amin' ny firenena ahitana antenimiera roa.

Fantatra amin' ny anarana hoe antenimiera, filankevitra, kôngresy, sy ny maro hafa, arakaraka ny firenena, ny mpanao lalàna.

Jereo koa

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.