From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Filazantsaran' ny Roa ambin' ny Folo na Evanjelin' ny Roa ambin' ny Folo, izay azo antsoina koa hoe ny Filazantsaran' ny Apôstôly na Evanjelin' ny Apôstôly dia filazantsara very izay noresahin' i Ôrigenesy ao amin' ny Toriteny amin' ny Evanjelin' i Lioka amin' ny maha ao amin' ny lisitry ny asasoratra mifono fampianaran-diso na finoan-diso. Amin' ny teny grika io boky io dia atao hoe τὸ τῶν δώδεκα εὐαγγέλιον / To tôn Dôdeka euangelon.
Ny fanontana nataon' i Schneemelcher ny New Testament Apocrypha dia nilaza fa diso ny fampitovioan' i Hierônimo na Jerôma ny Filazantsaran' ny Roa ambin' ny Folo, izay antsoiny hoe Filazantsaran' ny Apôstôly, amin' ny Filazantsaran' ny Hebreo (Dial. adv. Pelag. III 2), fa i Ôrigenesy kosa dia manavaka tsara azy ireo (Toriteny amin' ny Filazantsaran' i Lioka 1.1). I Ambrôsio avy any Milano sy i Bede the Venerable koa dia mety nanao teny an-kolaka momba izany. Nisy fifandraisana teo amin' io filazantsara tsy fantatra io sy ny Filazantsaran' ny Ebiônita.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.