Abidy etroska

From Wikipedia, the free encyclopedia

Ny abidy etroska dia ny abidy nampiasain' ny Etroska, izay sivilizasiôna tranainy tany Italia afovoany sy avaratra, mba hanoratana ny fiteniny, nanomboka tamin' ny manodidina ny taona 700 tal. JK ka hatramin' ny manodidina ny taona 100.

Thumb
Ny abidy etroska, misy litera misa 26; vakina hoe: [a], [b], [ɡ] (na [ɣ] na [k]), [d] (na [l̪] na [r]), [e], [v] (na [w] na [u]), [z] (na [d͡z] na [t͡s]), [h], [tʰ], [i], [k], [m], [n], [ks], [u] (na [o]), [p], [ʃ] ([ʒ] na [d͡ʒ]), [q], [r], [s], [t], [β] (na [u]), [ks] (na [ɡz]), [ɸ], [kʰ], [f].

Ny abidy etroska dia avy amin' ny abidy eobeana nampiasaina tany amin' ireo zanatany grika tany tapany atsimon' i Italia izay anisan' ny karazana "tandrefana" ("mena"), ilay antsoina hoe abidy grika tandrefana. Maromaro ny tarehin-tsoratra italika tranainy, anisan' izany ny abidy latina, avy amin' izany (na niara-niseho aminy).

Jereo koa

Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.