Ny vorontsiloza dia vorona fiompy izay iray karazana amin'ny akoho sy ny vorombola. Misy ihany anefa ny vorontsiloza dia. Ompian'ny olona ny vorontsiloza mba ho hanin-kena. Midoroboka (izany hoe mampibontsina ny elany) sy miedinedina manao faribolana ny vorontsiloza lahy raha siahina. Mety ho mainty na fotsy na sady misy fotsy no misy mainty ny volony. Afaka maidina ny vorontsiloza raha tsy tapahana ny elany.

Thumb
Vorontsiloza fotsy
Thumb
Vorontsiloza dia manidina
Thumb
Lahim-borontsiloza midoroboka

Atao hoe Meleagris ny anarany ara-tsiansa. Roa karazana ny vorontsiloza fantatra, dia ireo atao amin'ny anarana ara-tsiansa hoe Meleagris gallopavo (izay mety ho dia no azo ompiana) sy Meleagris ocellata (izay ompiana).

Ohabolana malagasy momba ny vorontsiloza

  • Aza manao tahaka ny vorontsiloza: miebanebana (na mikorefarefa) tsy ankizivavy, dia izy ihany; manakora tsy adin’ ombilahy, dia izy ihany; miambozom-boahangy tsy renin-jaza, dia izy ihany; maneno tsy ampongabe, dia izy ihany.
  • Aza midoka tena toa vorontsiloza: siahina dia midoroboka.
  • Mibehambehana ohatra ny vorontsiloza avy nosiahina.

Jereo koa

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.