Vatomena
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny vatomena na robisy na roby dia vatosoa manana loko mena mavokely hatramin' ny mena midorehitra, karazany mena amin' ny mineraly kôrindôna (ôksida-na viraty na na alomina Al2O3 ). Ny vatomena dia iray amin' ny vatosoa fanaovana firavaka malaza indrindra ary tena mateza. Ny vatomena anisan' ny vatosoa tena saro-bidy mahazatra, miaraka amin' ny ametista, ny safira, ny emeralda (na emeraoda) ary ny diamondra.
Ny lokony mena dia vokatry ny fisian' ny atôma-na krôma (ny kôrindôna tsy misy krôma dia ny safira), hatramin' ny 2 % eo ho eo. Sokajina ho vatosoa amin' ny fanamboarana firavaka, izay ampiasana azy, ny vatomena. Manana hamafy 9 amin' ny maridrefin' i Mohs ny vatomena. Amin' ny mineraliny, ny manana hamafy avo kokoa dia ny diamondra (10 amin' ny maridrefin' ny Mohs) sy ny lônsdaleita (iadian-kevitra) ary ny môisanita (9,5 amin' ny maridrefin' i Mohs).
Miankina amin' ny lafin-javatra maro ny sandan' ny vatomena: ny habeny, ny lokony, ny fahadiovany ary ny fomba nanapahana azy. Misy singa hafa tafiditra ao miny (loto) ny vatomena voajanahary rehetra, ny vatomena voatr' olombelona ihany no mety miseho ho toy ny tonga lafatra. Arakaraka ny tsy fahampian' ny singa hafa ao aminy no mampisy vidiny azy bebe kokoa. Ny vatomena, miaraka amin' ny diamondra miloko, no vato sarobidy afaka mahatratra ny vidiny ambony indrindra.