Vahoaka milaza fa taranaky ny Israelita
From Wikipedia, the free encyclopedia
Maro ny vahoaka milaza fa taranaky ny Israelita. Ny fanjavonan' ny fokon' i Israely dia niteraka petrakevitra maro, ka ny petrakevitra tsotra indrindra dia ny filazana fa nifangaro ka lasa nitovy fomba tamin' ny mponina tao Atsinanana Afovoany ireo mponin' ny Fanjakan' i Samaria natao sesitany. Nisy koa anefa ny nandroso hevitra fa mety nitady fialokalofana any amin' ny faritra lavitra indrindra ireo foko folo ireo, ka izany fiheverana izany dia niteraka fikarohana maro.