![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/79/Trimurti_ellora.jpg/640px-Trimurti_ellora.jpg&w=640&q=50)
Trinite hindo
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Trinite hindo, izay atao hoe Trimūrti na Trideva, ao amin' ny hindoisma, dia ny ampahany miseho amin' ny andriamanitra fara tampony izay miova ho telo mba hanapaka ireo toetra samihafan' izao tontolo izao. Atao hoe त्रिमूर्ति / trimūrti, izay midika hoe "endrika telo" izany amin' ny teny sanskrita.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/79/Trimurti_ellora.jpg/640px-Trimurti_ellora.jpg)
Ny andriamanitra Brahma sy Vishnu ary Shiva dia tandindon' ny asam-pamoronana sy ny asam-pitahirizana ary ny asam-pandravana. Ao amin' ny sivaisma, izy ireo dia heverina ho fisehoan' i Shiva amin' ny maha andriamanitra fara tampony tsy miseho azy ka noho izany tsy azo aseho sary. Amin' ny fomba fijery ara-tantara dia nialoha ny Trinite vedika (izay ahitana an' i Agni sy Vâyu ary Sûrya, izay endrika telon' ny Afom-pisoronana).