Toekaren' i Okraina
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny toekaren' i Okraina dia miompana amin' ny fambolena sy ny fitrandrahana harena an-kibon' ny tany. Hatramin' ny nahazoany ny fahaleovan-tenany anefa dia niaina fahasahiranana ara-toekarena lehibe i Okraina. Teo amin' ny seha-pihariana rehetra eo amin' ny toekarena dia nahitana fihenan' ny famokarana, indrindra ny seha-pihariana faharoa. Imbetsaka i Okraina no tsy nahazo fanampiana avy amin' ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena sy tamin' ny Banky Iraisam-Pirenena. Tamin' ny taona 2003 dia 19,5 %n' ny mponina no miaina ambanin' ny tokonam-pahantrana.