Toekaren' i Nizera
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny toekaren' i Nizera dia mifototra indrindra amin' ny fambolena sy ny fiompiana, izay miantoka ny 50 % amin' ny harin-karena faobe, nefa mandringa noho ny haintany izay mampiavaka ny faritra Sahel. Ny indostria dia tsy hita firy any, ary ny fitrandrahana sy ny fanodinana ny oranioma no loharanom-bolany lehbe. Anisan' ny firenena mahantra indrindra eran-tany i Nizera. Ny governemanta nizeriena dia miankina betsaka amin' ny fanampiana roalafy sy iraisam-pirenena amin' ny fandaniana fampandehanana asa sy ny fampiasam-bolam-panjakana. Mahazo fampindramam-bola lehibe avy amin' ny Banky Iraisam-Pirenena sy ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena izy, indrindra amin' ny alalan' ny fampihenana ny fahantrana sy ny fampandrosoana ary ny hetsika hoan' ny firenena mahantra be trosa.