![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/c/c8/Petrochemical_Complexes_in_Asaluyeh_%25288%2529.jpg/640px-Petrochemical_Complexes_in_Asaluyeh_%25288%2529.jpg&w=640&q=50)
Toekaren' i Iràna
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny toekaren' i Iràna dia manambatra ny fandraisan' anjaran' ny fanjakana amin' ny solitany sy ny orinasa lehibe (indostria mavesatra, entana fanjifa, sns.), izay rafi-pandrindrana dimy taona, andaniny, sy ny fambolena eny amin’ ny vohitra madinika sy ny raharaham-barotra madinika ankilany. Manampy ny fifehezana ny toekarem-pirenena ny fanjakana amin’ ny alalan’ ny fanampiana omena ho an’ ny filàna fototra, ny lasantsy ary ny raharaham-panjakana atolotra ny vahoaka. Mitana anjara toerana lehibe ny ampahany amin' ny toekarena tsy ara-dalàna. I Iràna, miaraka amin' ny harin-karena faobe 990 lavitrisa dôlara (2011), dia laharana faharoa ao amin' ny faritra misy azy (aorian’ i Torkia). Ny fivarotana solitany sy etona voajanahary no tena miantoka ny fidiram-bolan’ilay firenena.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/c/c8/Petrochemical_Complexes_in_Asaluyeh_%288%29.jpg/640px-Petrochemical_Complexes_in_Asaluyeh_%288%29.jpg)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/1/16/Peykan_chaldoran.jpg/640px-Peykan_chaldoran.jpg)
Ny governemanta iraniana dia mikatsaka ny fisian’ ny fampiasam-bola isan-karazany amin' ny sehatra hafa, ao anatin' izany ny famokarana fiara, ny indostrian' ny fanamboarana fiaramanidna, ny elektrônika avo lenta, ny simian-tsolitany ary ny teknôlôjia nokleary. Manantena ny hisarihana ny fampiasam-bola vahiny i Iràna amin'ny famoronana fepetra fampiasam-bola tsara kokoa (fampihenana ny famerana ny fanafarana sy ny hetra momba izany, ny fananganana faritra malalaka toy ny ao Chabahar sy ao amin’ ny nosy Kish, sns.). I Iràna môderina dia manana saranga antonony matanjaka sady manana toekarena mitombo saingy mbola iharan' ny fidangan' ny vidim-piainana sy ny tsy fisian' ny asa.