From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Tempolin' i Sôlômôna na Tempolin' i Salômôna (hebreo: מקדש שלמה / Mikdash Shlomo), na Tempoly Voalohany araka ny Baiboly, dia toeram-pivavahana naorin' i Sôlômôna mpanjaka tao Jerosalema tamin' ny taonjato faha-10 tal. J.K. (taona 957 tal. J.K.) mba hampitoerana ny Fiaran' ny fanekena. Noravan' ny tafik' i Babilôna izany tempoly izany. Nasolo an' ilay Tabernakely namboarina tany an-tany efitr' i Sinay ny Tempoly, araka ny Bokin' ny Deoterônômia (Deo. 12.2-27).
Talohan' ny nahafatesany i Davida dia nanangona fitaovana teo an-tampon' ny Tendrombohitra Moria ao Jerosalema hanamboarana ny Tempoly ny mpanjaka teo amin' ny tany novidiny tamin' ilay Jebosita atao hoe Aravna (2Sam. 24.21) izay nanaovany sorona.
Hita ao amin' ny Bokin' ny Mpanjaka ao amin' ny Baiboly ny antsipiriany momba ny Tempoly voalohany. Nampahafantarin' Andriamanitra mialoha ny mpanjaka Davida fa ny taranany no hanamboatra io tempoly io, araka ny Boky faharoan' i Samoela (2Sam. 7), ary vita izany tamin' ny andro nanjakan' i Sôlômôna. Nandefa hazo sy mpandrafitra sy mpiasa trano tany amin' i Sôlômôna ny mpanjakan' i Tiro atao hoe Hirama I. (1Mpanj. 6-8; 2Tantara 3-5).
Noravan' i Nebokadnetsara II i Jerosalema sy ny Tempoly tamin' ny taona 586 tal. J.K. (425 tal. J.K. hoy ny loharano jiosy) ary nentiny ho babo any Babilôna ny ampahany amin' ny mponina tao.
Ny firafitry ny Tempolin' i Sôlômôna sy ny fitaovana sarobidy nampiasaina dia voatantara ao amin' ny Boky voalohan' ny Mpanjaka (1Mpanj. 6.1-22). Naverina indray izany firafitra izany tamin' ny nanamboarana ny Tempoly faharoa. Ny Tempoly dia manana firafitra mitodika amin-teboka eo afovoany, ahitana:
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.